
United for change Madagascar
Firaisamben'ny Malagasy monina aty ivelany manohana ny hetsika sy fitakiana ataon'ny Gen Z sy ny vahoaka Malagasy
Alatsinainy 29 Septambra 2025,
Bâle, Suisse,
One Meal a Day for Madagascar,
Ho an’ny Malagasy rehetra monina aty ivelany,
Ry namana,
Lavitra i Madagasikara fa ny fo sy saina dia akaiky nohon’ny tranga mampalahelo miseho any. Sahirana ny Ray aman-dreny, tsy an’asa ny ankamaroan’ny olona, ary indrindra tsy ampy ny fivelomana ka marefo ny fahasalaman’ny Malagasy rehetra.
Tsy nitazam-potsiny manoloana ny fitakian’ireo tanora manerana ny nosy isika taty ivelany. Nasehonareo izany tamin’ny herinandro lasa fa manohana tanteraka azy ireo any Madagasikara isika.
Mila firaisan-kina mafymafy kokoa izao ka hasaina hiverina haneho miaraka am-pahabehimaso ho ren’izao tontolo izao fa manohana ireo zandry, zoky mitolona ho an’ny Firenena isika Malagasy aty ivelany. Hery lehibe ho azy ireo ny fahitàna antsika miray hina sy miray fo amin’izy ireo.
Efa mitsangana etsy sy eroa ny fanampiana indrindra ireo maratra sy nindaosin’ny fahafatesana tsy rariny. Mitohy ny fanampiana an’izy ireo mandrapaha tomombana ny hetsika.
Tsy manaiky kosa ary manameloka ny famonoana ny Malagasy ka tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Governemanta izay mifikitra mafy ny fahefàna efa kely ananany.
Tsy misy andrim-panjakàna mijoro araka ny maha izy azy intsony, ka aleo hihevitra ny hoe foana ireo. Aleo mieritreritra sahady ny ampitso ka hitady vahaolana miaraka isika atolotra hamoahana ny firenena anaty lavaka lalina
Zava-dehibe ho an’ireo namantsika ny fanehoana miaraka fa manohana azy ireo isika ka hanangana rafitra tokana ahitàna ireo olona rehetra aty ivelany ao anatin’ny fotoana fohy satria mihazakazaka ny toe-draharaha misy ary tsy afa-miandry ela ireo tanora any an-tanindrazana.
Fanambaràna tokana, hiarahana miredona ho ren-tany sy ren-danitra izay miantefa amin’ireo izay mbola miziriziry hijanona eo amin’ny fitondràna, ireo izay mpanome baiko sy mpanatanteraka ny famonoana etsy sy eroa ary ireo izay mampifandrafy ny samy Malagasy ahazoany tombontsoa manokana.
Noho izany, dia, ilaina avokoa ny isam-batan’olona rehetra tsy avahana izay tia ny fireneny monina aty ivelany, olon-tsotra, fikambanana, sehatra tsy miankina, mpianatra, mpila ravinahitra, artista, mpanao fanatanjahan-tena, manam-pahaizana sy traikefa, sy ny sisa hiditra maika ao amin’ny application Signal “United for change” (etsy ambony ny rohy)
Tsy misy afatsy ny firaisan-kina, firaisan-tsaina sy firaisan’ny hery no ahatafavoaka ny Firenena sy ny tolona natomboka,
Atoa, RANDRIAMASY Natanaela,
Filoha mpanorina ny OMAD


.jpeg)